TheMadagascarTime

Rasazy Ramarojaona Rindra: “Fahafaham-po rehefa mahatafita ny ain’izy mianaka”

2026-02-02 - 05:07

“Rasazy Rindra no hahafantaran’ny olona ahy fa Ramarojaona Rindra no anarako, efa niasa nandritra ny 12 taona tamin’ny CSBII teto Antsirabe. Tena tiako ny mikarakara ny reny sy ny zaza, manampy sy manome torohevitra amin’ny lafiny maro.” Maro ny sedra nolalovana tamin’ny asa ary tena mafy amiko ny mahita ny fahasarotana eo am-piterahana manjo ilay reny, mahatsapa ny fanaintainana ary manosika ny tena hanampy sy hitady vahaolana izany. Eo koa ny tsy fahampiana ara-pitaovana eo amin’ireo reny tonga miteraka, velon-taraina, tena tsy mahita vahaolana. Mikaroka hevitra hatrany anefa hahalavorary ny fandraisana ilay zaza. Fahafaham-po sy tena ha­faliako rehefa tafita soa aman-tsara ny reny sy ny zaza ary tena misy fifaliana tsy hay hazavaina hoe namonjy aina, namelona. Manoloana ny lalàna ma­hakasika ny fahasalamana ara-pananahana sy ny fandrindrana ny fiterahana, tena imasoana ny fanentanana satria efa malalaka tanteraka, ankehitriny, ary mamela ny zatovo tsy ampy taona hanao izany. Fampiasana kapaoty no tena ampirisihana ny tanora rehefa tena tafiditra anaty firaisana ara-nofo izy ireo. Betsaka ny misafidy ny tsindrona kanefa manoro hevitra amin’ny fampiasana ny pilina ny rasazy. Ny pilina no mampiverina haingana ny fahafaha-miteraka rehefa hajanona raha oharina amin’ny tsindrona. Misy ireo tanora mandeha irery ary misy ireo miaraka amin’ny ray aman-dreny tonga manao fandrindrana fiainam-pianakaviana. Tanora efatra isam-bolana no tonga manao fandrindram-piterahana. Efa maromaro ireo ray aman-dreny manohana ny zanany amin’ny fampiasana fandrindrana ny fiainam-pianakaviana mba tsy ho tratry ny vohoka tsy iriana. Tatiana A

Share this post: