TheMadagascarTime

Rasazy Valencia – Fandrindram-piterahana : “Fifaliako rehefa samy resy lahatra ny mpivady”

2026-02-06 - 04:48

Rasazy ao amin’ny CSB II Ambohimanarivo Antsirabe, nandritra ny 8 taona, Rafano­mezantsoa Lantonirina Valen­cia. Tomponandraikitry ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana ao an-toerana izy. Betsaka ireo vehivavy tsy avelan’ny vadiny hanao fanabeazana aizana tonga eto kanefa mahatsapa fa reraka amin’ny fiterahana lava. Resahina sy omena soso-kevitra izy ireo ary entiny eto ny vadiny indraindray miara-miresaka. Tena fifaliako rehefa misy fandresen-dahatra amin’ilay vehivavy na izy mivady mihitsy ny hampiasa ny fomba fandrindram-piterahana. Misy kosa ireo vehivavy voatery miafina manao izany satria voararan’ny vadiny. Rehefa misy vehivavy saro-piterahana, tsy maintsy alefa hopitaly indray dia tena feno tebiteby aho hoe nanahoana izay ilay reny, teraka soa aman-tsara ve any amin’ny hopitaly any? Fahafaham-po kosa no azo rehefa mampiteraka zaza kambana ary matetika mitranga mihitsy izany amin’izao fotoana. Nilanja 3kg 500 sy 2kg 800 ireo kambana ireo ary tena tafita soa aman-tsara izy mianadahy sy ny reniny. Mampivarahontsana ny asa rehefa misy fahasamponana mavesatra ilay zaza teraka. Matetika ny fihinanana fanafody tsy nahazoana alalana tamin’ny dokotera no mahatonga ny fahasamponana. Ao anatin’ny taona iray izao, misy telo ny tranga fahasamponana. Tsy misy atidoha ny iray, ny iray kosa efa maty tany an-kibo efa elaela ary ny zaza iray nivoaka tety ivelany ny hazon-damosiny. Matetika koa ny tranga mivadi-tongotra sy ny sima. Tatiana A

Share this post: