Razanakoto Iaro : Hiditra amin’ny sehatry ny Formule 1
2026-02-05 - 11:48
Hivoatra amin’ny sehatra hafa amin’ny fanamoriana fiarakodia Razanakoto Iaro. Raha ny vaovao hita tao anaty tambajotran-tserasera, afakomaly, hiditra amin’ny Taranja Formule 1 (F1) ny tenany, ka ny niara Jaguar R1 no hoentin’ity Malagasy fanta-daza amin’ny tontolon’ny fiarakodia ity. Nahazo fanasana hanao andrana hifaninana amin’ity F1 ity, any Dubaï, ny tenany, raha ny fikarohana natao. Ampahatsiahivina fa efa mipetraka eo amin’ny tontolon’ny fiarakodia eto Afrika sy any amin’ny kaontinanta Asia ny anaran’i Iaro. Tamin’ ny taona lasa, nahazo vokatra tsara tamin’ny fifanintsanana “Grand Turismo (GT4)” tany Thaïlande, ny tenany. izy irery no Malagasy manana taratasim-pilalaovana eken’ny FIA, ary Afrikanina tokana nahazo ny laharana voalohany amin’ ny GT 4. Efa nandalo teto Madagasikara Razanakoto Iaro, ny volana desambra lasa teo, ary efa nanao asa soa teto an-tanindrazana. F.R