TheMadagascarTime

RDJ Mozika 2025 : « Mpanakanton’ny taona » i Denise sy ny tarika Reko

2026-02-23 - 04:46

Tontosa afakomaly, tetsy amin’ny Novotel, Ivandry ny lanonana namoahana ny valin’ny fifaninanana RDJ Mozika 2025. Voafidy ho mpanakanton’ny taona, i Denise sy Reko. Toy ny isan-taona, na­moaka ny valin’ny fifaninana RDJ Mozika 2025, ny RDJ 96.6 Fm. Voafidy ho «Mpanakanton’ny taona 2025» teo amin’ny sokajy vehivavy i Denise raha ny tarika Reko kosa ny teo amin’ny sokajy lehilahy. Mandray anjara betsaka amin’ny fisafidianana ny mpihaino sy mpanaraka ny onjam-peo. Efa nampoizin’ ny maro ny vokatra. Nahavita ezaka lehibe teo amin’ny tontolon’ny hira sy ny fanapariahana izany i Denise sy ny Reko. Nahafahan’ireo mpanakanto nifaninana ny sokajy 22. Anisan’ny nisongadina sy nankasitrahana teny amin’ny Novotel, Ivandry, afakomaly ny nahazoan’ny tarika Ny Sakelidalana ny «Trophée d’Honneur». Tarika anisan’ny nahatazona ny mampiavaka azy hatramin’izay. I Lowis kosa ny nahazo ny amboaran’ ny sokajy «Révélation». Nahazo ny amboara ta­min’ny sokajy «Pop duo» i Denise sy i D-Lain, tamin’ilay hira «Tiako hanjeky», hira maro mpankafy. Ny Tanora Masina Itaosy no nahazo ny amboaran’ny RDJ Mozika 2025 sokajy «Fiderana» ta­min’ilay hira «Tsy ho diso fanantenana». Mbola mahatazona tsara ny lazany ihany koa ry Dadi Love izay nahazo ny sokajy «variété mihetsika, lehilahy» tamin’ilay hira «Tsikirikitry». Ny tarika Mage 4 sokajy «Rock» tamin’ilay hira «Ao ihany ve ianao?». Sehatra iray ahafahan’ny mpanakanto mandrefy ny ezaka vitany ny fifaninanana tahaka ny RDJ Mozika. Misy ny mila manatsara sy mitazona ary mampivelatra ny kanto ataony. Misy ny mbola mitaky ezaka manokana amin’ny lafin-javatra maha kanto ny zavakanto. HaRy Razafindrakoto

Share this post: