“RDJ Mozika 2025”: Sokajy 22 no hifaninanana
2026-02-13 - 04:59
Hiverina ny fankasitrahana izay ho “Mpanakanton’ny taona 2025”. Io ny mari-pankasitrahana ambony indrindra, izay vaovao lehibe nivoaka nandritra ny fampahafantarana ny hetsika “RDJ Mozika 2025”, omaly, tetsy amin’ny City Art Ivandry. Ankoatra izay, hisy 22 ny sokajy hifaninanan’ireo hira nofantenana amin’ity andiany ity. Hotontosaina ny 21 febroary izao ny lanonana “RDJ Mozika 2025”, etsy amin’ny Novotel Ivandry. “Hetsika anatin’ny fiainan’ny onjampeo RDJ ny “RDJ Mozika”. Hahafahana mampiseho ireo mozika tsara indrindra nandritra ny taona iray sy ankasitrahana izany, araka ny safidin’ny mpihaino. Ireo hira noraisina tato amin’ny onjampeo ka nandeha teo anelanelan’ny 1 desambra 2024 sy ny 30 novambra 2025, ka nosafidian’ny komity araka ny masontsivana efa napetraka ireo nozaraina isaky ny sokajy ireo”, hoy ny fanazavana fohifohy nentin’i Tahiana Rasolojaona, filoha tale jeneralin’ny RDJ. Ankoatra ireo sokajy 22 sy ny “Mpanakanton’ny taona 2025”, hisy ihany koa ny mari-pankasitrahana manokana homen’ny RDJ. Eo ny fankasitrahana ireo mpanakanto zokiny, nahavita be tamin’izany fotoana. Homen-danja manokana ihany koa ny filatroan’ireo mpanakanto, satria fotoana fanehoan-damaody ny lanonana, toa ireny any ivelany ireny. Efa nanomboka ny 21 janoary teo ny fisafidianana tao amin’ny tranonkalan’ny RDJ. Safidy tokana isaky ny sokajy ihany no azon’ny mpankafy hatao amin’ity. Hifarana ny 20 febroary ny fisafidianana, izay efa mananika ny 160 000 isa amin’izao. Zo ny Aina