TheMadagascarTime

Reniranon’Ikopa :Tovolahy iray namoy ny ainy

2026-02-17 - 04:28

Niara-nilalao rano tamin’ny tovolahy namany, natelin’ny rano ka nifamonjena saingy tsy tana ny ain’ny tovolahy iray, tao amin’ny kaominina Bemasoandro Itaosy, ny alahady 15 febroary teo. Nanomboka tamin’ny 1 ora sy fahefany tolakandro, nilalao rano teo amin’ny reniranon’Ikopa ny andiana tovolahy maromaro. Anisan’izany io tovolahy io. Nilentika tampoka anefa izy. Noheverin’ireo namany ho mbola nilomano tsotra kanjo efa tsy nivoaka tao anatin’ny rano intsony. Nihorakoraka ireo nanatri-maso ary nifamonjena io tovolahy io. Tafavoaka taorian’ny fanavotana azy tao anatin’ny rano izy. Naharay antso mahakasika io tranga io ny zandarimaria miasa eo anivon’ny tobim-paritra Bemasoandro Itaosy. Nidina ifotony avy hatrany izy ireo. « Mbola nisy aina io tovolahy io tamin’ny fotoana nahazoana azy tao anatin’ny rano », hoy ny loharanom-baovao. Nentina nihazo ny hopitaly teny Ando­hatapenaka izy saingy tsy tana intsony ny ainy. Ahina ho sempotra loatra nandritra filentehany tao anatin’ny renirano ilay tovolahy, araka ny fanazavana. Nalain’ny fianakaviana ny nofo mangatsiakan’ilay tovolahy. Manentana hatrany ireo ray aman-dreny hanara-maso ny zanany sy handrara azy ireo tsy hilalao rano amin’ny renirano hisorohana ny loza tahak’izao, ny mpitandro filaminana. Tsiferana R.

Share this post: