Rivodoza Fytia : 12 ny maty, 77 192 traboina
2026-02-05 - 11:48
Nitombo ho 12 ny isan’ny olona namoy ny ainy vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Fytia. Efa hita ilay olona lasan’ny rano tany Mahajanga II. Fito ny olona naratra, araka ny tatitra navoakan’ny BNGRC omaly hariva. 77 192 ireo traboina (tokantrano 18 561) ary 30 873 ny olona nafindra toerana (tokantrano 7 900) ka ny olona 24 617 amin’ireo raisina an-tanana eny amin’ny toeram-pandraisana 59 ary ny 6 256 kosa niantrano any amin’ny fianakaviany. Ho an’ny fotodrafitrasa indray, 13 514 ny trano dibodrano, 2 211 simba amin’ny ampahany ary 1 950 simba tanteraka. 133 ny efitranon-tsekoly tsy misy tafo intsony, 95 simba amin’ ny ampahany ary 54 rava tanteraka. 35 ny distrika nitondra takaitra nandritra ny fandalovan’y rivodoza Fytia, tamin’ny faritra sivy: Boeny, Analamanga, Melaky, Sofia, Vakinankaratra, Betsiboka, Atsinanana, Alaotra Mangoro ary Itasy. Etsy andaniny, nilaza ny Apipa, tao anatin’ny ny filazana ny fandehan’ny renirano eto amin’ny lemak’Antananarivo, omaly hariva, fa nahazo fampitandremana miloko mena amin’ ny reniranon’i Sisaony ny kaominina Ampahitrosy, Soalandy, Ankadivoribe, Ampanefy, Soavina ary Anosizato Andrefana. Ho an’ny renirano Sisaony ao Ampitatafika, nahitana fiakarany ny haavon’ny rano tao anatin’ny 08 ora. Vonjy