TheMadagascarTime

Rugby – XXL Top 12 : Adin’ny samy kartie ny an’Ankady sy Anatihazo

2026-02-21 - 06:27

Hangotraka ny fihaonan’ny USA Ankadifotsy sy ny TFA Anatihazo, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakam-pire­nena taranja rugby XXL Top 12. Lalao hiendrika famaranana kely ny an’ny roa tonta. Fileovana samy manana ny maha izy azy ka tsy hifampitsitsy. Heverina fa hamaritra ny toerana misy ny tsirairay ny vokatra ho azon’izy ireo amin’ity. Hitohy etsy amin’ny kianja Makis Andohatape­naka, rahampitso alahady ny andro fahenina hiadiana izay ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby XXL Top 12. Anisan’ny fihaonana hanamarika izany ny fifandonan’ny TFA Anatihazo (Pilokely) sy ny USA Ankadi­fotsy (Maitsokely). Lalaon’ny andrarezina ny azy ireo satria samy manana ny maha izy azy. Adin’ny samy kartie ka hi­fampitady tanteraka ny andaniny sy ny ankilany. Mifana­kaiky rahateo ny laharan’ny roa tonta. Fahefatra ny Ana­tihazo raha fahadimy Ankady. Samy nahazo fandresena telo sy faharesena roa avy izy ireto. Ity lalao ity izany no ha­maritra ny toerana hisy azy ireo, ao anatin’ity fifaninanam-pirenena ity. Hiendrika famaranana kely, araka izany, ny fifandonan’Ankady sy Anati­hazo. Samy manana mpilalao teknisianina ary matanjaka izy ireo ka ho resy izay ratsy fanomanana. Ankoatra izay, hanohitra ny Tam Anosibe kosa ry zareo Cheminots (Besetroka). Vo­nona ny mpilalaon’ny Gara, handresy ny Anosibe. Izy ireo izay tsy mbola manana fandresena ary mitana ny laha­rana farany. Hanala vela rahateo ny Cheminots, izay resin’ ny Tam, nandritra ny fihaonan’ ny roa tonta farany. Ny Tam Anosibe izay eo amin’ny laharana fahafito. Mialoha io lalao io, hifanandrina ny Uscar sy ny Mang’Arts. Lalao hiady ihany koa satria samy ao anatin’ny tanjany sy ny heriny ny tsirairay amin’izao. Na izany aza, mety hanantombo ny ekipan’ny kaominina izay eo amin’ ny laharana fahenina raha fahasivy ny Mang’Arts. Hanokatra ity andro fahenina ity ny lalao eo amin’ny sokajy diviziona 1 vehivavy. Hifampitana amin’izany ny RCTS Soavimasoandro sy ny SCB Besarety. Tompondaka

Share this post: