TheMadagascarTime

Rugby – “XXL Top 12” : Afa-bela tamin’ny FTM ny Cosfa

2026-03-02 - 04:46

Tontosa omaly, tetsy amin’ny Kianja Makis Andohata­penaka, ny andro fahenina amin’ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena, taranja rugby, “XXL Top 12”. Nana­mafy ny maha laharana voalohany azy ny Cosfa (Bebaoty), rehefa nandresy ny FTM Manjakaray (Dakar), tamin’ny isa mazava, 44 no ho 23. Nanjakan’ny Bebaoty ny lalao nandritra ny 80 mn. Na izany aza, nisy ihany ny ampaham-potoana nibodoan’ny Dakar tany amin’ny kianjan’ny miaramila. Nanokatra ny isa voalohany ny FTM, tamin’ny alalan’ny “droap goal” matin’i Koroka, minitra faha-14 nilalaovana ka nitarihany 3 no ho 0. Tsy ela anefa ny valin-kafatra ho an’ny Cosfa ka nahatonga baolina nentin-tanana izay voatsara izy ireo, nitarika tamin’ny isa 7 no ho 3. Nanohitra indray ry Lahatra sy ry Babaina ka nahafaty “hors jeu” indray i Koroka, nifanakaiky, 7 no ho 6, ny isa. Nano­mboka teo, totoafo ny fanafihan’ny Bebaoty. Naha­tonga baolina nentin-tanana i Ginot, izay voatsara ka 14 no ho 6. Tsy nijanona teo fa mbola niampy “hors jeu” roa ka lasa 20 no ho 6 ny isa, izay nentin’ny roa tonta niala sasatra. Fizaram-potoana faharoa, mbola nitarika 26 no ho 6 ny miaramila. Teo vao taitra ny FTM ka nanafaingana ny lalao nampihenana ny isa ho 26 no ho 12. Taorian’io, nahatsindry baolina i Babaina saingy tsy voatsara ka 26 no ho 17. Noteren’ny miaramila amin’izay ry zalahy avy eo ka nisesy ny baolina nentin-tanana, izay tsy nijanona raha tsy 44. Tetsy an-kilany, “hors jeu” roa sisa matin’ny FTM. Tompondaka

Share this post: