Rugby – “XXL Top 12”: Miato aloha ny fifaninanana
2026-03-19 - 04:43
Taorian’ny fahavitan’ny andro fahafito amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, XXL Top 12, taranja rugby dia hiato ny fifaninanana. Nambaran’ny tomponandraikitry ny Malagasy Rugby fa hotohizana amin’ny fanatontosana ny dingana ampahavalon-dalana, ho an’ny “federal 2”, izany. Hotanterahina etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka ny alahady 22 marsa ho avy izao. Anisan’ny lalao andrasan’ny rehetra ny fifanandrinan’ny JSTA Ambondrona sy ny AFA Ankazomanga. Adin’ny samy kartie io ary efa ela nifampiandrasana ny roa tonta. Samy manana ny fahaiza-manaony ny andaniny sy ny ankilany. Hiendrika famaranana kely, araka izany, ny lalaon’izy ireo ka ho resy izay ratsy fanomanana. Ankoatra izay, mbola hangotraka koa ny fihaonan’ny Rosa club de l’Imerina sy ny XV FA Ampasika. Lalao hisehoan’ny fahaiza-manao ny an’ny roa tonta. Samy manana mpilalao matanjaka, saingy hampiavaka ny tsirairay ny taktika entina eny ambony kianja. Ankoatra izay, hifampitady ny US Ikopa sy ny RCSA Anosibe, raha hanokatra ny fihaonana ny FTAM Mandrangobato sy ny FTAT Anosibe. Tompondaka