Rugby – XXL Top 12 : Ny 3 mey vao hiverina ny fifaninanana
2026-03-27 - 04:42
Miandry ny fahavitan’ny Fédéral 2, Top 20, vao hiverina hiakatra kianja indray ireo ekipa miady ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny « XXL Top 12 ». Raha tsy misy ny fiovana, any amin’ny fiandohan’ny volana mey vao hitohy ny fifanintsanana ho azy ireo. Miato tanteraka ny fifanintsanana eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, « XXL Top 12 ». Araka ny tapaky ny komity mpitantana eo anivon’ny Malagasy Rugby, vitaina tanteraka aloha ny fifaninanam-pirenena amin’ny Fédéral 2, Top 20, vao hatao izany ka raha tsy misy ny fiovana dia amin’ny alahady 3 mey vao hiverina indray ny fifaninanana ho an’ny « XXL Top 12 ». Tsiahivina fa herinandro efatra sisa tsy tontosa amin’ny fifanintsanana. Mandra-piandry izany, hitohy amin’ny alahady ho avy izao, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka ny dingana ampahavalon-dalana ho an’ny Fédéral 2, Top 20. Anisan’ny hifanandrina amin’izany ny 3FAI Ambalavao Isotry sy ny FTBA Andohatapenaka. Adin’ny samy kartie ny an’ny roa tonta. Tsy hifampitsitsy satria samy tompon’ny fahaizam-baolina. Manatombo aloha ry zareo Ambalavao izay efa zatra lalao goavana saingy ao anatin’ny heriny ihany koa amin’izao fotoana izao ny boaikelin’Andohatapenaka izay manana mpilalao teknisianina. Ho resy, araka izany, izay ratsy fiomanana amin’ity. Mbola ady tsy vita ihany koa ny an’ny Stade Olympique de l’Emyrne sy ny FTA Andavamamba. Samy zanaky ny mangotraka ireo ka tsy hifampikoso-masomena. Ho toy ny famaranana kely mialoha ny fotoana raha ny fandinihan’ny rehetra azy. Mialoha io, ny fifaninandrinan’ny 3F5 Amboditsiry sy ny FBA Bemasoandro. Lalaon’ny samy matanjaka ny azy ireo. Hanokatra ny fihaonana, ny an’ny XV Avenir Andohatapenaka sy ny CRAI Ambalavao Isotry. Tsiahivina fa efa tafita amin’ny ampahefa-dalana, ny Rosa Club de l’Imerina, ny JSTA Ambondrona, ny RCSA Anosibe ary ny FTAT Anosibe. Tompondaka