TheMadagascarTime

Rugby – “XXL Top 12”: Resin’ny Cosfa ny CEA Andranomanalina

2026-02-16 - 04:49

Nivoaka sempotra vao tafavoaka ho mpandresy ny Cosfa (Bebaoty), nanoloana ny CEA Andranomanalina. Fihaonana tafiditra amin’ny andro fahadimy hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 12”. Efa tany amin’ny “gong” farany vao nibata ny fandresena tamin’ny isa tery ny miaramila. Nahavory mpijery maro, ny fihaonan’ny roa tonta, tamin’ity. Afa-bela, nanoloana ny CEA Andranomanalina ny Cosfa (Bebaoty). Resin’izy ireo, tamin’ny moka fohy 38 no ho 37 Andrano. Fi­haonana notanterahina oma­ly, tetsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka. Niady ha­tramin’ny segondra farany ny baolina ary ambony ny teknika sy ny taktikan’ireo mpilalao. Nisesy ny baolina nentin-tanana teo amin’ny roa tonta. Nitarika 15 no ho 0 ny CEA. Baolina voatsindrin’i Julio sy i Pasy saingy ny iray ihany no voatsara. Mbola nahafaty “hors jeu” ihany koa i Mika. Teo vao taitra ny miaramila ka nanokatra ny isa Radaoro, rehefa nahavita “essai”, tsy voatsara. 15 no ho 5. Tsy nijanona teo fa mbola nahatsindry baolina indray saingy tsy voatsara ka lasa 15 no ho 12. Nanindry ny Bebaoty, ka sa­hala ny isa rehefa nahafaty “hors jeu” indray i Badoda. Ni­e­zaka niarina ny CEA avy eo ka nanafaingana ny fanafihana niainga tao amin’i Romeo ary nahatonga baolina nentin-tanana indray izay voatsara ka 22 no ho 15. Tsy ela ny valin-kafatra fa tany amin’ny fahataperan’ny fizaram-potoana voalohany, nosahalain’ny Cosfa ho 22 no ho 22. Isa nialana sasatra. Fizaram-potoana faharoa, nitarika ny Be­baoty, rehefa nahatsara “hors jeu” i Badoda saingy voasahalan’i Mika indray avy eo. 25 no ho 25. Taorian’io samy nahatonga baolina nentin-tanana indray ka sahala 32 no ho 32. Tsy nijanona teo fa mbola nitarika 37 no ho 32 Andrano rehefa nahazo “essai” saingy tsy matin’i Mika. Minitra faha-37, nahafaty “hors jeu” indray i Badona. Mbola nampiany ihany izany tany amin’ny minitra faha-39. Lasa 38 no ho 37 ny isa. Naneno ny “gong”, nanafika ny CEA nitady “hors jeu” saingy diso ny tolotra farany. Tompondaka

Share this post: