TheMadagascarTime

Rugby – XXL Top 12 : “Tsy hisy ho dinganina”, hoy ny federasionina

2026-02-03 - 05:20

Taorian’ny tsy fahatanterahan’ny andro fahadimy amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 12”, tokony ho natao ny alahady 1 febroary lasa teo, nilaza ny tomponandraikitra eo anivon’ny Malagasy Rugby fa tsy dinganina akory ny kalandrie. Betsaka ireo mpankafy nihevitra fa avy hatrany dia hotanterahina ny andro fahenina ka miandry any amin’ny faran’ny fifaninanana indray vao hatao ireo lalao tsy tanteraka. Efa maika ny hijery ny fifandonan’ny Cosfa sy ny CEA Andranomanalina ny mpijery baolina lava­lava. Io lalao io izay voalahatra ao anatin’ny andro fahenina. Raha tsiahivina, lalao telo no voalahatra amin’izany. Anisany handrasan’ny rehetra ny fifandonan’ny TFA Anatihazo sy ny TFMA (Boaikely manohitra). Eo koa ny an’ny USA Ankadifotsy sy ny Mang’Arts Manjakaray ary ny fihaonan’ny Tam Anosibe sy ny Uscar (Kaominina Antananarivo Renivohitra). Eo koa ny lalaon’ny D1 vehivavy, hifanandrinan’ny FTM Manjakaray sy ny RCTS Soavimasoandro. Tompondaka

Share this post: