TheMadagascarTime

Salon du Chocolat et de la Gourmandise: Hotanterahina ny sabotsy izao, ny andiany faha-8

2026-03-26 - 04:52

Hotanterahina etsy amin’ny Carlton Anosy, ny sabotsy 28 marsa 2026 ho avy izao, ny « Salon du Chocolat et de la Gourman­dise ». Hetsika andiany faha-8, karakarain’ny Wednesday Morning Group (WMG). Hiara­hany miasa amin’ny BNI Ma­dagascar. “Anasongadinana ny vokatra eto amin’ny firenena sy hahafahana mamoaka ny talentan’ny Malagasy amin’ny famokarana vokatra vita amin’ny cacao ny antony nisafidianana ny hetsika”, hoy ny filohan’ny WMG, Tsiranana Fiona, raha nitafa nataon’izy ireo tamin’ny mpanao gazety tetsy Anosy, omaly. Tanjona amin’ny hetsika ny hahafahana mahazo vola hikarakarana ny vehivavy sy hanampiana azy ireo hahaleo tena sy hampizakan-tena azy ireo. Amin’ ny alalan’ny fanomezana fiofanana azy ireo amin’ny sehatry ny fanjairana sy ny fiofanana mahakasika ny informatique digitale. Nahitana fitomboana ny isan’ny mpandray anjara tamin’ity taona ity raha oharina tamin’ny taon-dasa. Ahitana hetsika samihafa, toy ny fampisehoana ny tontolon’ny sôkôla, fihaonana amin’ireo mpanao sôkôla matihanina avy amin’ny lafivalon’izao tontolo izao sy ny maro hafa eny an-toerana. Ankoatra ny sakafo, fotoana iray hanomezan-danja ny famokarana kakao ara-drariny sy maharitra ary manaja ny tontolo iainana ihany koa io hetsika io. Anisan’ny firenena mamboly cacao i Madagasikara ary manana ny vokatra malaza indrindra maneran-tany. «Mbola tsy mazoto mihinana vokatra avy amin’ny kakao ny vahoaka malagasy nefa manana tombony sy mahasalama izany», hoy ny tomponandraikitry ny hetsika. Nambarany hatrany fa betsaka ny mpamboly saingy ahondrana avokoa ny ankamaroan’ny vokatra misy eto an-toerana. Tsy ampy ny vokatra ary izay no mahatonga ny vidiny ho lafo. Manodidina ny 2000 isa ny olona andrasana hitsidika ny hetsika amin’io tontolo andron’ny sabotsy io. Mino

Share this post: