TheMadagascarTime

Salon du Chocolat et de la Gourmandise : Nahafa-po ny mpitsidika

2026-03-30 - 04:54

Nanentoento ny fofona Chocolat tetsy amin’ny Carl­ton Anosy, ny sabotsy lasa teo, nandritra ny “Salon du chocolat et de la gourmandise », andiany faha-8. Hetsika nokarakarain’ny Wednesday Morning Group (WMG). Na­hafa-po ny maro ny fitsidihana ireo tranoheva, nanomboka ny maraina hatramin’ny hariva nifaranan’izany. Ani­san’ny nahasarika azy ireo ny fankafizana ny tontolon’ny Chocolat. Ankoatra izay, anton’izany ihany koa ny fanampian’ny fikambanana WMG ireo vehivavy, amin’ny alalan’ny fanofanana zaitra. Nahi­tana fitomboana ny isan’ny mpandray anjara tamin’ity taona ity raha oharina tamin’ny taon-dasa, satria maherin’ny 30 isa ireo tonga nampiranty ny vokany. Toy ny orinasa mpanodina vokatra Cacao amin’ny endriny maro samihafa. Hita teny an-toerana ihany koa ny vokatry ny sekoly manofana ireo tanora liana amin’ny fianarana ny tontolon’ny fanodinana sakafo. Tan­jona ny hampiroboroboana ny talentan’ny Malagasy amin’ny sehatry ny famoronana indrindra ny fanomezan-danja ny fanodinana ny vokatra Cacao eto Madagasikara. Marihina fa hetsika iray fitadiavam-bola ataon’ny fikambanana WMG ity fampisehoana ny tontolon’ny Chocolat ity. Mba hahafahana manampy sy manofana ireo vehivavy amin’ny tontolon’ny zaitra sy ny Informatique digital. Tanjona ny hahafahana manampy ireo vehivavy hahaleo tena sy hahay izaka tena eo amin’ny lafiny asa. Mino

Share this post: