TheMadagascarTime

Sarimihetsika : Nomem-boninahitra i Dadilahy

2026-03-30 - 04:54

Mandalo raho-mainty ny fianakaviamben’ny sarimihetsika malagasy. Tena izy tokoa fa tsy sarimihetsika mantsy ny fodiamandrin’i Mamitiana Ra­ko­toarisoa na i Dadilahy, ara­ka ny fiantsoan’ireo namana sy ireo mpankafy azy. No­dimandry ny zoma lasa teo, teo amin’ny faha-57 taonany ity mpanao teatra sy mpilalao sarimihetsika ity, taorian’ny aretina tampoka nahazo azy. Nampandalovina ny efitrano Gisèle Rabesahala, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy ny fatiny, ny sabotsy teo, ho fanomezam-boninahitra azy. Tonga maro ireo mpianakavin’ny sarimihetsika malagasy, naneho fiaraha-miory tamin’ny fianakavian’i Dadilahy. Ny andron’io ihany no nanaterana azy tany an-tanindrazany, eny Ambodifa­hitra Andramasina. Nisehatra nandritra ny 30 taona mahery tao amin’ny tropy Lisin’Iarivo i Mamitiana Rakotoarisoa, amin’ny maha mpanao teatra azy, nanomboka ny taona 1988 hatramin’iny nahalasanany iny. Ny taona 2018 izy no niditra teo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika, nilalao tao amin’ny « Benja kely II », «Papasôsy», «Onja mahery». Mpilalao fototra tao amin’ny «Anjoria» sy «Setra­setram-pitia», ny taona 2024. Zo ny Aina

Share this post: