Sarimihetsika sy sarimiaina: Hisy fivoriambe mandritra ny telo andro
2026-03-23 - 04:43
Somary nangingina tao anatin’ny taona maromaro ny tontolon’ny sarimihetsika sy ny sarimiaina eto Madagasikara. Ho famohazana izany, hisy ny fivoriambe hifanakalozana, mandritra ny hateloana. Ho fanatsarana ny tontolon’ny sarimihetsika sy sarimiaina malagasy. Hanatanteraka fivoriambe ny mpisehatra, amin’ity herinandro ity. Hotontosaina eto Antananarivo mandritra ny telo andro izany. Hanomboka ny alarobia 25 marsa, amin’ny 10 ora maraina ny dinika. Fihaonana hatao ao amin’ny Havoria Anosy. Hisy fivoriambe ho an’ny mpisehatra amin’ny sarimihetsika sy sarimiaina (image animé), arahina fifampiarahabana tratry ny taona 2026. Araka ny fangatahan’izy ireo, hampahafantarina mandritra ny fotoana ny andraikitry ny fitaleavana ISSM sy ny Bap, ary ny Omda. Hisy ny fizarana sy fanamarinana ireo mpisehatra voasoratra ao anatin’ny « Registre public du cinéma et de l’image animé”. Hitohy ao amin’ny efitrano Dox, Tranombokimpirenena Anosy izany ny alakamisy. Hisy ny fiaraha-midinika isaky ny sehatra. Tafiditra ao anatin’ ny fandaharam-potoana, ny dinika manokana ho an’ny mpamokatra. Hifidy ny solontena roa handrafitra ny komity hanamarina ny fanohanana izy ireo. Natokana ho an’ny mpilalao, ny tolakandro. Hifarana ny zoma ny fivoriambe natokana ho an’ny isaky ny sehatra. Hotanterahina etsy amin’ny ISSM (Somacodis) Analakely izany. Fivoriambe ho an’ny mpanatontosa, mpanoratra ary teknisianina. Mandritra ny fotoana, hisy ny fifidianana ny solon-tena roa mandrafitra ny komity hanamarina ny fanohanana ny mpanatontosa, mpanoratra ary teknisianina. Tsiahivina, zavakanto, anisan’ny nahasarika ny Malagasy ny sarimihetsika, tany ambadiky ny 15 taona lasa. Nahavita ezaka goavana ny mpisehatra na teo aza ny olana maro nianjady. Anisan’ny andrasan’ny mpanjifa sy ny mpitia sarimihetsika sy sarimiaina malagasy amin’ny fivoriambe tahaka izao ny fihatsaran’ny tolotra. HaRy Razafindrakoto