TheMadagascarTime

Sasa-miandry

2026-03-24 - 04:43

Vita kosa angamba izy izay? Andrasana, anio, araka ny tenin’ny Filoham-panjakana ny anaran’ny olona handrafitra indray ny governemanta vaovaon’ny fanavaozana. Asa iza no ho afa-panadinana ao? Iza no manam-bitana hamerina kilasy, ka ho afaka ny hanatevim-pahalalana indray? Miankina amin’ny mpanadina ny zava-drehetra. Raha ny tsilian-tsofina mandeha, efa anatin’ny fandinihana ny naoty sy ny valin’ny tombana ny tomponandraikitra, amin’izao fotoana izao. Ny mahavelombolo, vonona ny hametraka olona vanona fa tsy vonona fotsiny izy mirahalahy, mpiray ombon’antoka amin’ny fahefana mpanatanteraka. Olona mendrika fitokisana, mitady ny hivoizana ny fahamarinana. Manahirankirana ny zavatra misy amin’izao fotoana izao, mena avokoa ny famantarana, hatramin’ny fitandroana ny fiandrianan’ilay fahefana aza. Manomboka ny tsindry sy ny fifanaovana takalonaina ankolaka amin’ny mpitondra. Mifandrefy ny samy henjana. Tsy misy fifampitokisana intsony. Tsy mahagaga, misy mpiambina vazaha ny sasany. Tsy hay izay ho fivoarana aloha, fa raha tena fanavaozana no hatao, mafimafy ny miandry ny mpitondra tsara sitrapo. Tsy ilaozan’izay mpanompo mamba seza sy voninahitra any anatin’ilay Manontolo lehibe antsoina hoe fitondram-panjakana. Tsy latsa-danja amin’izany ny mamba noana, mpanao rapadango. Ny efa tafita tsy te hiala, ny ety ivelany manao amboletra. Tsy maintsy mijoro anefa ny mpitondra, indrindra ny Filoha sy ny Praiminisitra, izay iaraha-mahalala fa olon’Andriamanitra, ary kristianina mafana fo. Olona tokony ho baikoin’ny fahamarinana sy ny fahitsiana izany. Karazana mpitondra tena andraindrain’ny vahoaka Malagasy, ankehitriny. Hiasa anaty fahadiovana. Mitaky fahasahiana ny fandrodanana ifotony ny asan’ny maizina dia ny mpanao kolikoly sy ny mpandroba harem-pirenena. Manao angaredona izy ireny, manageja ny manam-piniavana. Tsy tokony hilavo lefona fa mila miady hatramin’ny farany. r.r

Share this post: