Sata mifehy ny OMDA: Tanjona ny tsy hiankina amin’ny minisitera intsony
2026-03-06 - 05:16
Hatreto, fitantanan-draharaha eo anivon’ny minisitera misahana ny Kolontsaina ny Ofisy malagasy misahana ny zon’ny mpamorona na Omda. Tafiditra ao anatin’ilay volavolan-dalàna hitondrana fanitsiana momba ny rafitra mifehy ny hisintahany. Efa an-taonany maro no nangataka izany ireo mpanakanto mpamorona. Efa nisy ny tolo-dalàna ho fanitsiana ny lalàna 94-036 tamin’ny 18 septambra 1995, izay mifehy ny zon’ny mpamorona sy ny Omda izay misahana izany, saingy very an-javony. Nifamotoana tetsy Anosy, omaly, ireo mpikambana sasantsany ao amin’ny Omda, ka nanolotra an-tanana ny tolo-dalàna fanitsiana, tamin’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina. Anisan’ny lehibe indrindra amin’ity tolo-dalàna hitondrana fanitsiana ity ny tsy hiankinan’ny Omda intsony amin’ny minisitera misahana ny Kolontsaina, fa hijanona ho mpiahy fotsiny. “Ny minisitera mihitsy no hametraka ny tolo-dalàna eny amin’ny Antenimierampirenena, ary hatao tonga amin’ny fivoriana voalohany, ny volana mey izao, izany”, hoy ny minisitra Mandrindrarivony Ogascar Fenosoa, raha nandray ireo mpikambana ao amin’ny Omda. Mbola misy ny fivezivezen’ny tolo-dalàna, mandra-pahalany azy, saingy azo antoka fa ho mora kokoa ny hahatongavana amin’ny tanjona, noho izay fitovian’ny fijery izay. Mahakasika ny satan’ny mpamorona hatrany, voaresaka ihany koa ny fampitomboana ireo vola sitrahan’ny mpamorona. Nampidirina ao koa ireo zon’ny mpiangaly sy ireo zo manodidina, ny zon’ireo mpamorona jamba, sns. Zo ny Aina