Sehatra tsy miankina : Miara-mientana hanolo-tanana an’i Toamasina
2026-02-17 - 04:48
Taorian’ny fiarahamonim-pirenena, nitodika amin’ny sehatra tsy miankina ny governemanta, nandinika ny handrindrana ny fanampiana ireo traboina ao Toamasina. Natao tetsy amin’ny trano fivorian’ny minisitera ny Raharaham-bahiny (MAE), omaly, ny fivorian’ny fanjakana sy ny OMC amin’ny fanampiana ireo mponina ao Toamasina, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani. “Tanjona ny handrindrana ny fandefasana ireo fanampiana mba hahatongavan’izany haingana any amin’ireo mponina tra-boina”, hoy ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama. Namaly ny antso ny Fikambanan’ny sehatra tsy miankiana ho fiaraha-mientana amin’ireo Malagasy any an-toerana sy ho fanarenana ny toekarena. “Kendrena manokana ny hananana fahafahana hitrakana sy hirosoana miaraka amin’ny alalan’ny fifanampiana”, hoy ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina (MIDSP), Rasoarahona Andriniaina. “Zava-dehibe ny firaisankina amin’ny Malagasy, ny mpandraharaha ary ny indostria”, hoy ny filohan’ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (SIM). Vovonana Mavesatra ny fahavoazana satria potika hatrany amin’ ny 80% i Toamasina. Napetraky ny sehatra tsy miankina ny vovonana iarahany amin’ny Goticom “Ensemble pour Madagascar” natao hanaraha-maso ireo tolo-tanana samihafa. Mandrindra izany ny MIDSP raha miandraikitra ny fandefasana izany any Toamasina kosa ny BNGRC. Nampahatsiahivin’ny minisitra fa tokony homen-danja sy tohizana ireo asa efa natomboka hanohanana ireo mpiray tanindrazana. Henintsoa