TheMadagascarTime

Sehon-dry Rajao Mianakavy : Nitsikombakomba ireo mpijery

2026-02-16 - 04:59

Dingana lehibe no afaka ho an-dry Rajao Mianakavy! Nobatain’izy ireo irery ny CCEsca Antanimena, iray amin’ireo efitrano fanaovana fampisehoana, mari-drefy ho an’ny laza. Vao nanomboka ilay “Afindrafindrao” nasian-dRajao tonony dia efa nanome ny lokon’ny fampisehoana sahady: nifototra tamin’ny sa­rimihetsika “Malok’ila” nahafantarana azy ireo, niampy ireo sasantsany toy ny “Play Boys”, sns. Nanomboka teo ihany koa, nanaraka sy nitsikombakomba mihitsy ireo mpijery, izay tsikaritra fa efa mpankafy hatry ny ela avokoa. Saika niainga tao anatin’ny sarimihetsika avokoa ireo tantara kely miendrika hatsikana, nentin-dry Pasitera, Razoary, Raly, Fetra, Karitaka ary Rajao. Hitan-dry zareo kosa ilay tetezamitan’ny hatsikana mankany amin’ny hira, izay saika hira noforonin’ireo mpikambana ao amin’ny tarika ihany. Fotoana nanehoan’ireo mpi­lalao sarimihetsika ny maha mpanakanto marolafy azy ireo koa ny seho. Ry Fetra mahafehy ny amponga, ry Pasitera havanana amin’ny hira, Razoary sy Raly mahay mandihy ary Rajao dia iny vao jerena dia mahatsikaiky iny. Fanamby iray lehibe ho an’ny LH Pro, trano mpamokatra mpanome sehatra ny hatsikana eto Madagasikara ny seho, ary mbola hisy tohiny izany. Zo ny Aina

Share this post: