Sekolin’ny baolina kitra : Mandray ireo manam-pahaizana Portugais
2026-02-04 - 05:18
Ho avy eto Madagasikara, hizara fahaizana sy hampitombo traikefa ho an’ireo mpanazatra sy ny mpilalao, i Rui Fernandes sy i Guilherme Farinha, avy any Portugal. Hanomboka ny 12-21 febroary, etsy Betongolo sy Ambatolampy Tsimahafotsy, ny hetsika. Mikarakara hetsika fampiofanana mpanazatra sy mpilalao ny sekolin’ny baolina kitra Dream Team. Araka ny fanazavana nataon’izy ireo tetsy Antanimena, omaly, hanomboka ny 12 hatramin’ ny 21 febroary izao ny hetsika. Hisahana izany ny teratany Portugais, Rui Fernandes, manana ny diplaoma Uefa C, sy i Guilherme Farinha, efa mihazona ny mari-pahaizana Fifa A Pro. Tanjona ny hampivoatra sy hampiakatra ny lentan’ny mpanazatra sy mpilalao eto Madagasikara. Marihina fa etsy amin’ny Kianjan’i Betongolo no hizara ny fahaiza-manaony izy ireo manomboka ny 12 febroary. Etsy amin’ny Complexe Sportif Ambatolampy Tsimahafotsy kosa ho an’ ny ankizy ivelan’ny sekolin’ny baolina kitra Dream Team, ny 16 hatramin’ny 18 febroary. Natao ho an’ireo ankizy volavolaina ao amin’ny Dream Team kosa ny 19-21 febroary, eny Ambatolampy Tsimahafotsy ihany. Tsy voafetra ny fisoratana anarana amin’ity hetsika fampivoarana ny baolina kitra ity. Fifaninanana roa Ankoatra izay, handray anjara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenana roa ny Dream Team. Voalohany, ny fifanintsanana Iber Cup, izay hatao any Portugal, ny 29 mey hatramin’ny 5 jona. Faharoa, ny Gothia Cup, hotontosaina any Suède, ny 12 hatramin’ny18 jolay. Efa nandray anjara tamin’ity fifaninanana farany ity ny sekoly tamin’ny taon-dasa. Tsiahivina fa niorina ny taona 2023 ny Dream Team. Mahatratra 90 ny mpilalao volavolain’ny mpanazatra miisa enina. Ankizy 7 hatramin’ny 18 taona no raisin’ny sekoly. Fitia Randria