TheMadagascarTime

Seksiona Ambohidratrimo : Nanokatra ny taom-pikatrohana 2026

2026-02-17 - 04:58

Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pikatrohana 2026 ny eo anivon’ny seksiona Ambohidratrimo, taranja basikety, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Para Ivato. Fanamarihana ny taona amin’ny fahombiazana no tanjona ho an’ny seksiona, araka ny nambaran’ny filohany, Rakotondrabe Rija, nandritra ny lahateny nataony. Nohamafisiny fa fanamby no apetraka amin’ity taona ity dia ny andraisan’ny seksiona Ambohidratrimo anjara amin’ny fifaninanam-pirenena sokajy rehetra sy hanome vokatra tsara. Tonga nanome voninahitra ny lanonana, teny an-toerana, ny eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny basikety sy ny ligin’Analamanga, tamin’ny alalan’ny filohany, Ratovonjanahary Haingo Mampionona. Nambaran’ity farany fa zava-dehibe ny fanajana ny lalàna, izany indrindra no lalana mankany amin’ny fahombiazana, araka ny nambarany hatrany. Nanolotra fitaovana ara-panatanjahantena ho an’ny seksiona Ambohidratrimo ny ligin’Analamanga, tamin’ity hetsika ity. Mi.Raz

Share this post: