TheMadagascarTime

Sendikà Sempifafi : Hiara-kiasa ny mpiasa sy ny minisitera

2026-03-30 - 04:43

Noraisin’ny minisitry ny Fambolena sy ny fahaleovantena ara-tsakafo, Ramindo Gaëtan, ny Sendikan’ny mpiasa ao amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, Sempfafi, ny 26 marsa teo. Naneho fisaorana sy firariantsoa ary fiarahabana ny minisitra izy ireo. Voaresaka fa hamafisina ny fiaraha-miasa ao anatin’ny fifanajana sy ny firindrana eo amin’ny mpiasa sy ny mpitantana. Hapetraka ny fifampiresahana mitohy mba hisorohana ny tsy fifankahazoan-kevitra sy ny lonilony. Hampirisihina ny fandraisana anjaran’ny mpiasa rehetra amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny fambolena. Navoitran’ny minisitra Ramin­do Gaëtan, fa « antoky ny fa­hombiazana sy fanatrarana ny fahaleovan-tena ara-tsakafo eto Madagasikara ny fandraisana anjaran’ny tsirairay. Koa, zava-dehibe ny fifampiresahana sy ny fifanomezan-tanana toy izao ». Minisiteran’ny Fiompiana Tsiahivina fa nangataka ny hanasarahana ny fitantanana ny Fambolena sy ny Fiom­piana ny mpiasa ao amin’ny Fiompiana, talohan’ny nivoahan’ny mpikambana anaty governemanta, ny herinandro lasa teo. Nivaly izany fitakiana izany, ankehitriny, satria navahana ho mahaleo tena tanteraka ny minisiteran’ny Fiom­piana, ary manam-pahaizana amin’ny fitsaboana ny biby, veterinera, ny minisitra Andria­nomenjanahary Riana Nantenaina. Njaka A.

Share this post: