TheMadagascarTime

« She leads the games, 3X3 »: Klioba 80 hampiseho ny talentany

2026-03-21 - 05:13

Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny fifanina­nana “She leads the game”, taranja basikety 3×3. Klioba 80 no hampiseho ny talentany.­ Vehivavy 300 avy amin’ ny klioba 80 no hifani­nana amin’ilay hetsika « She leads the games », hi­zotra etsy amin’ny Kianja mi­tafon’i Mahamasina, anio, taranja basikety 3X3. Ny klioba Amazons Ballers no mpikarakara ary miara-miasa amin’ny ligin’Analamanga sy ireo mpanohana. Anisan’izany ny Yas Madagascar, efa mpanohana hatrany ny fanatanjahantena malagasy. Sokajy maro no handray anjara amin’izany, manomboka amin’ny latsaky ny 10 taona, latsaky ny 14 taona, latsaky ny 16 taona, latsaky ny 18 taona, ny vétérans sy ny super vétérans ary ny Corporate. Ny hanao ity hetsika ity isan-taona no fanamby raha ny nambaran’ny filohan’ny klioba Amazons Ballers, Rakotoarison Nava­lona. Tanjona ny hanomezana sehatra ny vehivavy mpilalao basikety mba hahafahan’izy ireo maneho ny talentany, araka ny nambaran’ny Sekre­tera jeneralin’ny ligin’Anala­manga, Ranarivelo Brenda. Tsara ny manamarika fa misy ny Prize money ho an’ny mpandresy izay mitentina 8 tapitrisa Ariary. Nisy ny fanazavana sy fampahafantarana ity hetsika ity, ny alakamisy lasa teo, teny amin’ny Cam­pus Yas Madagascar Andra­haro, niarahana tamin’ireo mpanohana sy mpikarakara. Mi.Raz

Share this post: