Siansa ara-pambolena: Hampitombo voka-bary 2 tapitrisa taonina fanampiny
2026-02-28 - 05:26
Nihaona tamin’ny governemanta sy ny Banky iraisam-pirenena eto amintsika ireo tale jeneraly avy amin’ny ivontoeram-pikarohana ara-pambolena CGIAR. Nojerena ny paikady ahafahan’ny fikarohana ara-tsiansa manampy amin’ny fomba famokarana ara-pambolena sy ny rafitra ara-tsakafo. Nandray anjara tamin’ny atrikasa siantifika, natao teny amin’ny Oniveristen’ Antananarivo, ny 26 febroary teo, ireo Tale jeneraly (DG) ny Ivontoeram-pikarohana iraisam-pirenena, nahitana ny Dr Baboucarr Manneh (AfricaRice), ny Pr Appolinaire Djikeng (ILRI), ny Dr Joyce Maru (CIP), ny Dr Henri Ojulong (ICRISAT), ny Pr Leong Pock Jean Michel (Fofifa) ary ny Dr Simeon Ehui (HTA). Lohahevitra nodinihina ny «Rafitra ara-tsakafo maharitra sy mahazaka ny fiovan’ny toetr’andro: fijery samihafa avy amin’ny fikarohana nasionaly sy iraisam-pirenena». Nifanakalo hevitra ny mpianatra, ny mpampianatra mpikaroka ary ireo mpiara-miombon’antoka. Nokarohana ny vahaolana azo tanterahina hanatsarana ny vokatra ara-pambolena sy hanitsiana ny rafitra ara-tsakafo sahaza amin’ny fiovan’ny toetr’andro. Manodidina ny 2,4 hatramin’ny 2,7 t/ha ny voka-bary amin’ny velaran-tany voajary manodidina ny 2 tapitrisa ha eto Madagasikara. Tombanana ho 500 000 t -700 000 t isan-taona ny voka-bary tsy ampy eto amintsika, ka voatery hafarana any ivelany. Vahaolana ny fampiasana masomboly nohatsaraina, hahazoana vokatra 2 tapitrisa taonina fanampiny. Manamafy ny Ivoteram-pikarohana iombonana CGIAR fa hanohy ny fanohanana an’i Madagasikara, hananana rafitra fambolena mamokatra. Miara-miombon’antoka amin’ny eto an-toerana Nambaran’ny Dr Baboucar Manneh (DG Africa Rice) fa efa misy eto Madagasikara ny teknolojia sy ny fikarohana amin’ny fambolena, iarahana amin’ny Fofifa, ny SOC sy ny maro hafa. Hita amin’ny sehatra maro, toy ny karazam-bary mahazaka ny fiovan’ny toetr’andro (haintany, tondradrano,...) izany ary misy ny vahaolana mba tsy ho very ny voka-bary mandritra ny fijinjana, sns. Njaka Andriantefiarinesy