TheMadagascarTime

Soatoavina sy ny 8 marsa : Manome hasina ny vehivavy ny Malagasy

2026-03-05 - 04:47

8 marsa, « Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy », araka ny tapaka teo anivon’ny Firenena mikambana ny taona 1977. Nanom­boka teo, hevi-diso maro no nahely... Saika niainga avy any ivelany ny ankamaroan’ireny. Taitra sy nampiaka-peo ny vehivavy eto Madagasi­kara. Raikitra ny fitakiana fitovian-jo amin’ny lehilahy. Teo amin’ny sehatry ny asa, nodradradradraina fatratra fa « ny vitanareo lehilahy mba vitan’ny vehivavy ihany koa ». Nanom­boka nirotsaka lalindalina teo amin’ny fitantanan-draharaha sy ny tontolo politika, sns, ny vehivavy malagasy. Noho ny fandraisana bontolo sy ny tsy fampian’ny fahalalana, tsy niserana tao an-tsain’izy ireo fa nanaraka sy manaraka ny lamina voajanahary ny Malagasy eo anivon’ny fiarahamonina. Fantany sy hainy tsara ny nanome sy manome hasina ny tsirairay eo amin’ny toerana misy azy. Iray amin’ireny ny vehivavy. Kitapo nifonosana, nitondra sivy volana an-kibo (mamelona sy miahy ho tonga olona manam-panahy, fo, saina, vatana), niankin-drindrina irery sy nisotro ny rano tsy tiana (niharitra ny mafy sy loharanon’ny taranaka)... ... Ireo lamina voajanahary ireo, antoka lehibe fa omen’ny Malagasy hasina ny vehivavy. Noho izany, tsy tokony ho ny vahiny indray no hampianatra azy hanaja ny zon’ny vehivavy. HaRy Razafindrakoto

Share this post: