TheMadagascarTime

Soavinandriana sy Itasy : Nahazo fitaovam-pandrefesana

2026-02-25 - 04:46

Notokanana tamin’ity herinandro ity ny fitaovam-pandrefesana ny singa mandrafitra ny toetry ny andro mahaleo tena ao Soavinandriana sy Itasy, napetraky ny Foibe fa­mantarana ny toetry ny andro sy ny Cirad. Ao anatin’ny tetikasa « Démarches intégrées et accompagnement pour une agriculture familiale à Mada­gascar innovante et résiliente aux changements climatiques (Dinaamicc) », vatsian’ny Von­drona eoropeanina vola, izany. Mandrefy tsy tapaka ny ma­ripana, ny hamandoana, ny rotsakorana, ny tsindry atmosferika ary ny fitsoka sy ny ha­fainganam-pandeha ary ny lalan’ny rivotra ny tobim-pamantarana. Hanatsara ny vinavinan’ny toetr’andro sy hanamafy ny fampitandre­mana mialoha, ho fiarovana ny vahoaka sy ny tantsaha ny angon-drakitra azo avy aminy ka halefa mivantana any amin’ ny Foibe famantarana ny toetry ny andro. Hanamafy ny fahaiza-manao ara-tsiansa eo amin’ny sehatry ny toetr’andro sy ny fiovaovany ihany koa ireo fitaovana ireo. Toby synoptika mandrefy tsy tapaka ny maripana, tsindry rivotra, hamandoana, ha­fainganam-pandeha sy làlan’ ny rivotra ary rotsakorana ny ao Soavinandriana. Toby hy­dro­meteorolojika kosa ny ao Am­pefy hanaraha-maso ny farihin’ Itasy sy ny renirano manodi­dina. Mandrefy ny haavon’ny rano sy ny fiovany hisorohana ny tondradrano, hitantanana tsara ny loharano ary hiaro­vana ny asa fambolena sy ny jono. Fitaovana tena ilaina ha­na­mafisana ny fahaiza-miatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro ireo fotodrafitrasa ireo. Satria faritra miankina amin’ny fambolena sy ny harena an-drano i Itasy. Vonjy

Share this post: