Soccer Camp : Tonga hanofana i Farinha sy i Fernandes
2026-02-13 - 04:59
Nigadona eto Madagasikara, ny alarobia lasa teo, ireo teknisianina portugais amin’ny baolina kitra, i Guilherme Farinha sy i Rui Fernandes. Anton-dian’izy ireo ny hampiofana mpanazatra sy ankizy, fiaraha-miasa amin’ny sekolin’ny baolina kitra Dream Team. Niatrika avy hatrany ireo mpanazatra miisa 25 teny amin’ny Complexe sportif Ambatolampy Tsimahafotsy sy Betongolo izy mirahalahy. Ny maraina, nizarana ny fototra sy ny teknika ary ireo pitsompitsony amin’ny baolina kitra. Fampiarana kosa ny tolakandro. Haharitra hatramin’ny alahady ho avy izao ny fampiofanana ho an’ ireo Malagasy teknisianina nahitana ny avy amin’ny sekolin’ny baolina kitra sy klioba. Hizara roa kosa ny an’ireo ankizy 7 – 21 taona. Hisy ny hanao izany manomboka ny 16 – 18 febroary. Ao koa ireo hiatrika izany ny 19 – 21 febroary. 50 ireo kilonga nisoratra anarana, ankoatra ireo mpianatra avy amin’ny Dream Team. Fampianarana anaty efitrano sy eny an-kianja ihany koa no hatrehin’izy ireo. Hahazo taratasy fanamarinana fandraisana anjara avy amin’ ireo teknisianina portugais ireo mpiofana amin’ny farany. Tanjona ny hampivoarana hatrany ny baolina kitra miainga eny ifotony. Tsiahivina fa hanomana ny “Iber Cup” any Portugal sy ny “Gothia Cup” any Suède, ny Dream Team amin’ny volana jona sy jolay ho avy izao. Tompondaka