TheMadagascarTime

SOMBIM-BAOVAO

2026-01-27 - 09:11

Araka ny fikarohana natao omaly, mbola manohy ny diany amin’ny baolina kitra matihanina any Arabia Saodita, i Carolus, Malagasy lohalaharana. Rehefa avy nilalao tao amin’ny Al Sadd izy dia izao nifindra ao amin’ny klioban’ny Al Ain FC, diviziona faharoa, any an-toerana, izao indray. Hotanterahina rahampitso, ny tohin’ny fifanintsanana Eoropeanina, taranja baolina kitra, « Ligue des Champions ». Anisan’ny lalao tena andrasan’ny maro, amin’izany, ny fifandonan’ny Paris Saint-Germain PSG, frantsay amin’ny Newcastle United, anglisy, ao amin’ny Parc de Princes. Tsara ny mampahatsiahy fa ny PSG no tompondaka faran’ny LDC tamin’ny taon-dasa. Nisongadina ny Malagasy mpilalao échecs, nandritra ny fifaninanana nampitain-davitra “Ioca 2026”, taranja Échecs, tontosa ny herinandro lasa teo. Ma­lagasy 6 no nahazo fankasitrahana, nandritra izany, noho ny vokatra tsara azon’izy ireo. Nahazoan’i Mada­gasikara izany fankasitrahana izany, ny tamin’ny filaharana ankapobeny, ny sokajy vehivavy ary ny sokajy Jeunes.

Share this post: