Sorona tsy amin’ny antony?
2026-02-07 - 04:58
Manamarika ny datin’ny 7 febroary, anio, ny mpanohana ny fitondrana teo aloha. Asa hanao ahoana ny ho endriky ny fahatsiarovana, ao anatin’izao fanavaozana izao. Sanatrian’ny vava ho very anjambany na ho raraka an-tany ny ra nalatsak’ireo namoy ny ainy? Ny olona naongana sy nahafaty tamin’izany manko izao no miaraka mitondra amin-dry kolonely. Inona no tiana hambara? Mbola mila fanovana ihany koa ny fandehanana mitolona sy midina an-dalambe. Mahatonga saina mihitsy ny fanaovana politika eto amintsika, ankehitriny. Ilay izy rahateo toa lova tsy mifindra no mahalaza azy. Mihodinkodina eo ny fifampidimbiasam-pahefana fa tsy afa-mivoaka amin’ny olom-baovao. Raha misy aza ny tafiditra, toa tsy mahazo laka sy atosika hivoaka lava. Tsy maharitra fa mandalondalo dia miserana. Ny vahoaka no tia vao, fa ny politisianina sy ny mpiara-miombon’antoka vahiny milalao ny tonta havadibadika. Inona moa no ampahatsiahivana izany? Mila fiovana ny firenena amin’ny fomba fanaovana politika. Amin’ny ankapobeny, mila manavao ny kilasy politika ihany koa. Izato tanora maro nomen-tseza, mila mahasahy mijoro ho aina na fiaingana vaovao. Tsy tokony hanao tahaka ny sasany, tendrena ho mpanolotsaina dia nijanona nianatra ka lasa mpanao « photocopie » eny an-dapa. Ahoana izany ny hoaviny? Rehefa rava ny fitondrana na soloina izay nanendry azy dia ho mpirenireny fotsiny? Ny tranga tahaka izany no manaporofo ny mbola figiazan’olom-bitsy ny banja filalaovana politika. Mbola lavitry ny afo ny kitay raha resaka fanovana izany. Miara-mivarina an-kady eto isika mianakavy raha manao sorona tsy amin’antony ireo namoy ny ainy, nihevitra ho mariky ny fitiavan-tanindrazana. Tsy mitondra mankaiza ilay tsy mena mivadika! r.r