« Spass Gasy 2026 » : Fihaonamben’ny Malagasy any Allemagne
2026-02-07 - 05:18
Raha manana ny « RNS » ny ao France, efa hiditra amin’ny andiany fahefatra ihany koa ny « Spass Gass » amin’ity. Fihaonamben’ireo Malagasy any Allemagne ity hetsika ity, izay hotontosaina ny 23 sy 24 mey izao, any Bonn. Fihaonana ara-kolontsaina sy fanantanjahantena no hatao mandritra izany, raha ny nambaran-dry zareo avy ao amin’ny Mah Event, mpikarakara. Hanamafisana ny fototra maha Malagasy ireo hetsika ara-javakanto, toa ny slam sy mozika. Arahina fandihizana hafanaina DJ malagasy ihany koa izany. Fotoana hifampiresahan’ny mpiray tanindrazana amin’ny tenim-pirenena, hampitaina ho an’ny taranaka ny fitiavana ny teny malagasy koa. Lafiny fanatanjahantena kosa, hisy ny fifaninanana ara-pirahalahiana eo amin’ny taranja basikety, lahy sy vavy, sy volley iombonana. Zo ny Aina