« Star Tour Antsirabe 2026 » : Hiverina ny ‘Zay, sambany i Jack’Dad
2026-03-25 - 04:34
Efa fotoana ifanomezana. Tsy afa-misaraka amin’ny fetin’ny Paka any Antsirabe intsony ny “Star Tour”. Any rahateo ny fanokafana ny hetsika isan-taona. Hotontosaina ny 4 hatramin’ny 6 avrily izany amin’ity, eo amin’ny toerana mahazatra, efa maherin’ny 15 taona izay. Karazana fialamboly marobe no hatambatra amina fotoana sy toerana iray, ka ny goavana indrindra amin’izany dia ny fampisehoana isan-kariva eo anoloan’ ny Gara. Miovaova isaky ny andiany ny mpanakanto, ka fantatra fa i Lion Hill sy i LJo no hisantatra izany, ny sabotsy 4 avrily. Hotohizan’i Jack’Dad sy Samoëla kosa izany ny alahady. Hamarana ny andiam-pampisehoana ny alatsinain’ ny Paka i Arione Joy sy ny tarika ‘Zay. Raha tombanana, vaovao be amin’ity andiany ity ny Jack’Dad. Matoa anefa lany hanao “Star Tour”, efa miaka-daza ihany koa izay. Vaovao manaraka ihany koa ny fandraisana anjaran’ny tarika ‘Zay. Tsy sambany akory no handray anjara, saingy efa tena ela, fony mbola “THB Tour” no niaka-tsehatra farany teo anoloan’ny Gara ry Malala sy ny tariny. Efa tsy azo hialana kosa ny fandraisan’anjaran’i Samoëla, nandritra ny taona maro izay. “Nanao fanadihadiana tamin’ny mpiasa tato anatiny sy tamin’ireo mponina any Antsirabe izahay. Anisan’ny anarana niverimberina ireo mpanakanto ireo. Marihina anefa fa miankina amin’ny fahafahan’ireo mpanakanto ihany koa izany”, hoy ny nambaran’i Miasy Andriamoria, tomponandraikitry ny hetsika. Tsy miova kosa ireo mpanentana: i Eric sy Honorat Fou Hehy, Barhone ary Teg. Ampian’ireo mpikosoka kapila, Nicki Di Manu, Dj Looping, Dj Jim ary Three T. Eny antsefantsefany eny ny lalao sy fanentanana. Zo ny Aina