Takaitran’i Gezani : Mitohy ny fanampiana ataon’ny vadin’ny filoha
2026-03-30 - 04:54
Naneho firaisankina amin’ny mponin’i Toamasina, noho ny takaitran’ny rivodoza Gezani, ny vadin’ny filoham-panjakana, Randrianirina Elisa. Notanterahina ny herinandro teo, ny fizarana izany. Tonga tany an-toerana ny iraky ny vadin’ny Filoham-panjakana, tamin’ny alalan’ny mpandrindra, ny Pr Koto Bernard sy ny lehiben’ny kabinetra ay ireo mpiara-miasa amin’ny vadin’ny filoha. Nitondra fanampiana ho an’ny mponina izy ireo, anisan’izany ny vary 80 t, ny fanitso sy ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro, toy ny sirop, savony, aro tanana... Teo koa ny fanohanana mivantana ireo mpianatra maherin’ny 1 300 sy ny fanampiana ny mpitandro filaminana, ny fiangonana, ny sekoly ary ny kaominina. Nodiovina ny lakandrano 13km hisorohana ny tondradrano, niarahana amin’ireo mponina. Nifandinihina tamin’ireo tomponandraikitra, tamin’izany, ny hamoahana ny rano. Notohanan’ny vadin’ny Filoham-panjakana koa ireo mpianatra mila fitsaboana, toy ny naratra. Ankoatra izany, noraisina tany an-toerana ny fanampian’i Rosia sy ny fanomezana vola ho amin’ny fanarenana ny tanàna. Nohamafisina ny fandrindrana ny fomba fiasa eo amin’ireo tomponandraikitra sy ny mpitandro filaminana ary ireo mpiara-miombon’antoka. Natrehin’ireo mponina traboina avy amin’ireo kartie ao Toamasina izany hetsika rehetra izany sady fanehoana ny firaisankina manoloana ny fahavoazana nateraky ny rivodoza Gezani. Nambaran’ireto iraka ireto fa eo anilan’ny vahoakan’i Toamasina ny vadin’ny Filoham-panjakana, Randrianirina Elisa, indrindra amin’izao fanarenana sy fanatsarana indray ny tanàna izao. Tafiditra ao anatin’izany ny famaliana ny filan’ny mponina traboina. Tatiana A.