Takaitran’ny rivodoza : Nitondra fanampiana ho an’ny traboina ny MMM
2026-02-18 - 04:48
Nanainga omaly nihazo an’i Toamasina ny avy amin’ny antoko Malagasy miara-miainga. Tafiditra amin’ny hetsika ho fanohanana ireo havana traboina any amin’ny faritra Atsinanana iny izany. Niainga amin’ny fifanomezan-tanan’ny mpikambana MMM rehetra manerana ny Nosy no nahafahana nanangona ireo fanampiana ireo. Ampahany voalohany ihany amin’ireo fitaovana sy kojakoja ilaina andavanandro no nalefa. Anisan’izany ny kojakoja ho an’ny taon-trano toy ny fanitso, fantsika miampy fitafiana samihafa sy ny kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Anisan’izany ny vary sy ny menaka ary ny savony. Nambaran’ny eo anivon’ny antoko fa anisan’ny soatoavina sy foto-kevitra ijoroan’ny MMM hatramin’izay ny fiahiana sy ny fijerena ny maha olona. Eo koa ny firaisankina sy ny fitsinjovana ny mpiara-belona. «Mitohy hatrany ny ezaka ka manao antso avo amintsika rehetra hifanome tanana satria isika rehetra miaraka no afaka manarina indray an’i Toamasina», hoy ny eo anivon’ity antoko naorin’ Andrianainarivelo Hajo, ity. Synèse R.