Taombaovao malagasy : Nitombo isa ireo liana, nivelatra ny hetsika
2026-03-21 - 05:13
Tontosa soa aman-tsara! Nitombo laza, nitombo hadiry, niha maro mpanaraka koa ny taombaovao malagasy. Nilanona i Mahamasina, hatreny Andohalo. Andro fiasana ny alakamisy teo. Fa tsy nahasakana ireo hetsika marobe nanamarihana ny taombaovao malagasy izany. Nivelatra be raha noharina tamin’ny taon-dasa ny fankalazana tamin’ity, izay tetsy Mahamasina ny ivony. Raha toa ka nanomboka teo amina toerana kelikely, nahazo kianja lehibe kokoa kanefa mbola tsy antonona ireo olona tonga nilahatra ny afo tsy maty, sy nanatrika ny hetsika ny alin’ny alarobia teo izany. Teo ny fampisehoana goavana nataon’ny tarika Mahaleo sy Mami Bastah. Fanampiny fotsiny ihany, satria tsapa tamin’ny fanombanana ireo olona tonga tao Mahamasina ny fahavononany haneho ny maha Malagasy, hiaina ny fomba rehefa tonontaona toy ireny. « Aoka tsy ho menatra amin’ny fomba isika », hoy ny hafatrafatry ny raiamandreny Rakoto David, iray tamin’ireo nilofo amin’ny famerenana ny fankalazana ny taombaovao malagasy, taona maro lasa izay. Izy ihany koa no nitarika ireo mpahay fomba teny amin’ ny Vatomasina, namerina ny fanao teo taloha. Marainan’ny alakamisy 19 marsa, Andro voatondro ho taombaovao. Niavaka tamin’ ny fitafy sy satroka ireo olona nihazo an’i Mahamasina. Nitohy tamin’ny fizarana ny vary amin-dronono tondrahan-tantely, nilaofana toho sy vorivorin-kena, izany. Nanaovana ny « Tatao » sy ny fafy rano izay nandraisana ny tso-drano koa. « Feno ny fo mahita anareo marobe, hatramin’ny fotoana nakana fidiovana, ny nitondrana ny afo tsy maty ka hatramin’izao. Maro ny sakantsakana sy ny sompatra nosedraina. Azo eritreretina ny hakana an’i Mahamasina iray manontolo ho fenointsika mianakavy », hoy i Ankoay. Ito farany sy ny mpiara-dia aminy ao amin’ny fikambanana Famato sy Hadivory fito sosona no angady nananana sy vy nahitana ny fikarakarana rehetra. Zo ny Aina