Taorian’i Gezani: Traboina miia 51 000 ao Toamasina tohanan’ny FID
2026-02-25 - 04:46
Taorian’ny fandalovan’ilay rivodoza mahery vaika, Gezani, izay namely mafy an’i Toamasina, napetraka ny rafitra fandraisana andraikitra maika hanohanana ireo tokantrano traboina. Amin’ny alalan’ny fandaharanasa fiarovana ara-tsosialy, Asa vonjy voina, no hanatanterahana izany. Tetikasa “Asa avotra mirindra”, haharitra enim-bolana sy asa tanamaro sandaina vola no entin’ny Fid hanohanana ireo tokantrano traboina miisa 51 000 ao Toamasina. Hahazo 280 000 Ariary isaky ny tokantrano izy ireo. Natao hanefana ny fandaniana laharam-pahamehana sy hanombohana indray ny fiainana aorian’ny fahavoazana ny vola. Ny andiany voalohany amin’ny fandoavana dia nanomboka ny 14 febroary teo. Tokantrano 1 000, izay voaisa teny amin’ny toerana fialofana sy fokontany vitsivitsy, no nisitraka izany voalohany. Tetikasa tanterahin’ny Fid, eo ambany fandrindran’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, miaraka amin’ny fanohanana ara-bola avy amin’ ny Banky iraisam-pirenena, amin’ny alalan’ny tetikasa “Filets de sécurité et de resilience” (FSR) izy io. Fanampiana ara-bola maika ho famaliana ny filàna fototra ho an’ireo tokantrano traboina no tanjona. Natomboka tao Toamasina ihany koa ny hetsika “Vola mifanakalo amin’ny asa” (ACT-Himo). Mandritra ny 20 andro no hanatanterahana izany. Tokantrano 750 voalohany, mizara ho toerana, misy mpiasa 150 isanisany, no mandray anjara amin’ny asa fanadiovana sy fanarenana ny tanàna. Hisy asa 340 hafa koa hatomboka alohan’ny faran’ny volana marsa. Mahazo 7 000 Ariary isan’andro, mandritra ny adiny dimy fiasana, ny mpandray anjara. Mizara roa (10 andro isanisany) ny fandoavana izany. Ity fomba fiasa ity izay mamorona fidiram-bola vonjimaika ho an’ireo tokantrano traboina. Mandray anjara mivantana amin’ny fanadiovana ny tanàna, hanamafisana ny firaisankina sy ny fanarenana iombonana, izy ireo. Tatiana A