Taranja Handball : Miisa 23 ireo mpanazatra haka ny « Licence D »
2026-03-25 - 04:34
Notanterahina nanomboka omaly, etsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina, ny fiofanana ho an’ny mpanazatra taranja Handball, amin’ny mari-pahaizana “Licence D”. Miisa 23 ireo teknisianina miatrika izany, ary misy teratany vahiny. Efatra avy atsy Comores, roa avy any Mayottes. I Hammouda Khaled, mpampiofana efa za-draharaha sady mpampianatra any amin’ny Oniversite Alexandrie no mizara ny traikefa ho an’izy ireo. Araka ny fanazavana nataon’ ity mpampiofana ity, tanjona ny hampiakatra ny lentan’ny mpanazatra eto Madagasikara. Eo koa ny hahaizan’ireo mpiofana mizara ny fampianarana azony any amin’ ireo mpilalao isaky ny sokajin-taonany avy. Raha ny fanazavana, afaka mitondra ekipa eto an-toerana izay manana an’io mari-pahaizana io. Marihina fa mizara roa ny fampiofanana eny an-toerana. Misy ny an-tsoratra fa ao koa ny fampiharana eny an-kianja. Anisan’ireo manatrika ny fiofanana Ratsimandao Andriamanga Herilovasoa, filohan’ny Federasionina malagasin’ny Handball. F.R