TheMadagascarTime

TARATRY NY KANTO

2026-01-27 - 09:11

« Haitsikerana sarimihetsika: Tsy doka na kiana be fahatany ». Io ny lohahevitry ny velakevitra izay hotontosaina ny alarobia 4 febroary izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Hitarika izany i Aina Randrianatoandro, iray amin’ireo niofana manokana momba ny haitsikerana sarimihetsika, izay mbola vitsy mpanao eto amintsika. Misokatra ho an’ireo rehetra anatin’ny tontolon’ny sarimihetsika, ho an’ireo mpanao gazety mpikirakira ny vaovaon’ny zavakanto sy ny kolontsaina, ho an’ireo mpianatra sy izay rehetra liana momba ny sarimihetsika izany. Miverina mitodika any amin’i Wendy Catalina indray ny maso sy sain’ny mpanara-baovao manaitaitra anaty tambajotra sosialy. Nisy nanaparitaka mantsy ny horonantsary voalaza fa mamoafady mahakasika azy sy ny mpanakanto CkyCky. Izay fahamarinany mbola tsy voaporofo, saingy ny fahafaham-baraka no lasa aloha, toy ny tranga rehetra miparitaka anaty Facebook. Tranga lasa mateti-piseho eo amin’ireo mpanakanto sy olo-malaza ny toa izao, izay tokony hitandreman’ireo tsy mbola voa, indrindra amin’ny fanaovana « vidéo » na fifanakalozana sary sy horonantsary mety hanala baraka sy hampalaza ratsy indray andro any. Raha tsy hoe izay mihitsy no tanjona... Hisy ny fananganana tarika mpilalao vakodrazana, ao amin’ny kaominina Sandrandahy. Faritra anisan’ny mbola mihazona sy mampita hatrany ny vakodrazana ny any Amoron’i Mania sy Matsiatra Ambony. Nanapa-kevitra ny hanangana tarika iray mahasolo tena ny kaominina ny ao Sandrandahy, mba hisolo tena azy ireo raha misy ny fifaninanana na fiantsoana mpanakanto amina hetsika mila mpanao vakodrazana. Hotontosaina ny 14 sy 15 izao ny fifantenana, ho an’ireo lehilahy sy vehivavy mpanakanto feno 18 taona hatramin’ny 40 taona. Ny fitafy maneho ny kolontsaina any an-toerana, ny feo, ny fihetsika ary ny fifehezana ny zavamaneno no tsaraina mandritra izany.

Share this post: