TheMadagascarTime

Tarika AmbondronA – 25 taona: Hatrany amin’ny 2027 ny fankalazana

2026-03-05 - 04:47

Tsy vita anatin’ny herintaona... Hotohizana hatramin’ny 2027 mba hahafahan’ny tarika AmbondronA miverina amin’ireo toerana efa nanaovany seho, ny fankalazana ny 25 taona an-tsehatra. Hiverenena avokoa ireo faritra nanamarika ny tarika. Vaovaon’ny tarika AmbondronA, omaly. Saika ireo tanàn-dehibe manerana an’i Madagasikara izany, ankoatra ny any amin’ny faritra Sava sy Fort-Dauphin, noho ny toerana saro-dalana. Hanampy ireto ny fivoahana any amin’ireo Nosy manodidina sy ny firenena eoropeanina, Canada, Etazonia ary Afrika Atsimo. Tsy ampy hamitana izany tetikasa goavana izany ny herintaona, ka hotohizana hatramin’ny 2027 ny “25 taona isika...”. Miendrika jery todika ny efa vita no famerenana ny fahatsiarovana izy ity. Nanom­boka ny taona 2001, nindraman’ireto mpinamana sy mpirahalahy ireto ny anaran’ny tanàna nisy azy ireo: Am­bondrona. Nandalo sedra maro ny tarika. Nisongadina tao anatin’ny maro kosa anefa noho ny ezaka nampian’ny talenta. Nihamaro ary mbola eo hatramin’izao ireo mpankafy. Nahavita rakikira 7 ankoatra ireo efa havoaka “streamin” ny tarika. Ny fanombohana ny fankalazana no efa nambaran’ny tarika: Seho roa ao amin’ny City Art Ivandry, ny zoma 6 marsa sy 13 marsa izao. Eo anelanelan’izay, ny alahady 8 marsa kosa ilay seho ho tolo-tanana ho an’i Toamasina, hatao amin’ny Parking P 1 kianja Mahamasina. “Tanàna nanamarika be anay i Toa­masina, ka rariny raha manao an’ity hetsika ity. Alefa any avokoa izay vola azo, hialan’ny fampandehanan-draharaha”, hoy ny fanazavan’ny tarika. Niantso fifanomezan-tanana ny AmbondronA ka namaly azy ireo ny mi’Ritsoka Pro­duction, nanome ny fanamafisam-peo sy ny fitaovana rehetra ilain’ny fampisehoana. Eo koa ireo haino aman-jery hanampy amin’ny fampahafantarana sy ireo mpiara-miasa amin’ny tarika. Zo ny Aina

Share this post: