Tarika AmbondronA : Hiaraha-mankalaza amin’ ny mpankafy ny 25 taona
2026-01-29 - 09:13
Tsy iadian-kevitra intsony fa anisan’ireo tarika malaza indrindra eto Madagasikara ny tarika AmbondronA. Naharitra tao anatin’izay laza izay koa, satria efa 25 taona nisiana. 2001-2026. Feno 25 taona amin’ity ny nisian’ny tarika AmbondronA. Nandalo sedra maro vao tonga amin’izao lazany izao ny tarika tao anatin’izay fotoana izay. Noho ireo mpankafy nanjohy hatrany no tena anton’izay lasan’ny AmbondronA nandritra ny taona maro izay, ka rariny raha hiarahan’ny roa tonta mankalaza izany. “Mankasitraka ny hatramin’izay ary hiaraka hankalaza ny faha-25 taona isika, satria antsika ilay izy”, hoy i Beranto, tao anatin’ny horonantsary fohy nataon’ny tarika, nentin’izy ireo niarahabana ny mpankafy, noho ny taona vaovao. Ho goavana, araka izany, izay hiseho rehetra mandritra ny taom-pampisehoana. “Misy programa maromaro efa nomanina ao, fa araho tsy tapaka ny pejy izaranay azy. Misy ho an’ny fitetezam-paritra ka hatrany ivelany. Ao koa izay mety ho fiarahana rehetra amin’ity”, hoy hatrany ny fampanantenan’ny tarika. Ny azo antoka aloha dia tsy maintsy ho seho goavam-be no hanamarihan’ny tarika AmbondronA ny ivon’ny fankalazana. Mety ho Coliseum ihany ve? Sa mety mbola ho toerana goavana sy miavaka kokoa noho ny mahazatra indray? Samy miandry ny fandaharam-potoana ny rehetra. Zo ny Aina