Televiziona-StarTimes : Tolotra manokana ho an’ny mpanjifa
2026-03-28 - 04:43
Manome tolotra manokana ny StarTimes amin’izao antomotra ny fetin’ny Paka izao. Misy ny fihenam-bidy omeny ny mpanjifa. Nohazavain-dRamatoa Florence Zhu, tale ara-barotry ny StarTimes, fa tsotra, haingana ary ahazoana tombontsoa maro, mifanandrify arakaraka ny fahefa-mividin’ny tsirairay ny tolotra omena. Tanjona ny hahazoan’ny mpanjifa karazana fandaharana maro samihafa. Misy karazany telo izy ireo. Ny « Upgrade 1 volana”, Basic DTT na Smart DTH, ampiana 5000 Ar ny famandrihana, ka ahazoana ny « bouquet supérieur » mandritra ny 1 volana, ahazoan’ny mpanjifa tombony 17 000 Ar. Faharoa, ny “Upgrade , 2 volana”, ho an’ny Basic na Smart maharitra mandritra ny 2 volana, ahazoana « bouquet supérieur » 50 000 Ar isanisany, ahazoana tombony 44 000 Ar. Fahatelo, ny Bonus 10 andro, ho an’ireo hisafidy ny Classic (DTT) na Super (DTH), ahazoana famandrihana fanampiny mandritra ny 10 andro, ho an’ireo manavao ny famandrihana 2 volana. Mahazo tombony 17 000 Ar ny mpanjifa. Nanomboka ny 15 marsa teo, hatramin’ny 30 avrily 2026, ireo tolotra manokana ho an’ny fetin’ny Paka ireo. Misy karazam-pandaharana ho an’ny rehetra amin’ireo, toy ny Novelas, ny Sino Drama, ny GasyStar sy ny UpTV,..., amin’ny teny frantsay, anglisy, sinoa. Njaka A.