TheMadagascarTime

Tenindreny : Ahavitana fikarohana ny teny malagasy

2026-02-19 - 04:37

21 febroary, « Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny ». Hanamarika azy io ny Oniversiten’Antananarivo, Zanatsehatra Malagasy (Ivon­toeram-pikarohana momba ny arika sy ny zavatra ary ny Malagasy (Itazoma)/(Ciram) ). Hiompana amin’ny lohahevitra « Teny malagasy, ahavitana raharaham-pikarohana». Hisy ny velakevitra mifanitsy amin’io lohahevitra io, hotanterahin’ireo mpampianatra eny an-toerana. Anisan’izany Rabe­nilaina Harinia, profesora fakioliten’ny EGS, Raherilalao Bienvenue, profesora tompon-toerana ESPA, Rasoloarison Lalasoa Jeannot, profesora FLSH, Ravelonirina Hanitri­niaina Sammy Grégoire, profesora fakiolten’ny Siansa, Razafindrabe John Alberto Bam, profesora tompon-toerana fakioliten’ny Fitsaboana. Handrindra ny dinika kosa Ranaivoson Jeannot Fils, profesora Zanatsehatra malagasy FLSH. Rahampitso, manomboka amin’ny 9 ora maraina, diabe miainga eo amin’ny APF II. Amin’ny 10 ora maraina, hetsika kolontsaina, fampirantiana ao amin’ny Esplanade Oniver­siten’Antananarivo. Ny 21 fe­broary, manomboka amin’ny 8 ora sy 30mn ka hatramin’ny 11 ora 45mn, hetsika ara-tsiansa ao amin’ny Grand Amphi EGS-DSP. ... Marihina fa mbola miteraka fahadisoan-kevitra ho an’ny olona maro, ankehitriny, ny tsy fahaiza-manavaka ny teny hoenti-manabe (na hoenti-mampianatra, na hoenti-mikaroka) sy ny « fanagasiana ». HaRy Razafindrakoto

Share this post: