TheMadagascarTime

Teny malagasy : Ahavitana raharaham-pikarohana

2026-02-23 - 04:46

Ny sabotsy 21 febroary teo no nanamarihana maneran-tany ny «Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny». Ho an’i Madagasikara, nisy ny hetsika notanterahina tao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, niarahana tamin’ny fikambanan’ny poety sy mpanoratra malagasy Havàtsa-Upem. Ny teny amin’ny Onivesriten’Antananarivo nanehoan’ireo mpampianatra sy mpikaroka eny amin’ny ambaratonga ambony fa ahavitana raharaham-pikarohana ny teny malagasy. «Tsy misy fanmpandrosoana ho hita raha mbola ny tenin’ ny hafa no ampanjakana sy omena vahana ao amin’ny firenena iray». Tamin’ny ankapobeny, samy nanamafy io voalazan’ ny sampandraharahan’ny Unesco io ny vontoatin’ireo hetsika roa ireo. Tsy tokony ho teny vahiny hatrany no ifampiresahana sy ifampitan-kafatra amin’ny raharaham-pikarohana sy hoentina hampitan-kafatra. Nambaran’ny Profesora, Ranaivoson Jeannot Fils, mpikaroka momba ny teny, sady mpikambana ao amin’ny «Itazoma» fa petrakevitra azo hamarinina tsara io fietezan’ny fampiasana ny teny malagasy amin’ny fikarohana io ary mitohy ny ezaka fanomezana lanja ny teny malagasy eto amin’ny firenena. HaRy Razafindrakoto

Share this post: