Tetikasa Fafy : Mitaky ny karamany ny mpiasa
2026-01-29 - 05:33
Efa amam-bolana maro no tsy nandray tambin-karama ireo niasa tamin’ny tetikasa momba ny tsy fanjarian-tsakafo “Fafy”, eo anivon’ny ONN (Office nationale de nutrition), raha ny fitarainan’ireo mpiasa. Ahitana teknisianina, “superviseurs”, “Animateurs encadreurs” ary “agents communautaires” ireto nanao fanairana ireto. Tsy mifanaraka amin’ny tsindry mahazo azy ireo amin’ny fitakiana tsy ankiato ny tatitra izany, satria efa telo volana izao tsy nandray karama, raha ny fitarainan’izy ireo. Ampandoavina vola koa ireto mpiasa rehefa misy tolotrasa, raha ny fantatra. Faritra maro no ahitana ity tranga ity, toy ny any Amoron’i Mania sy Diego ary ireo faritra hafa. Miantso ny fitondram-panjakana sy ny Banky iraisam-pirenena izay mpamatsy vola ny tetikasa, araka izany, ireto mpiasa hijery akaiky ny mahazo azy ireo. Efa nisy ny namerina ny fitaovana niasana, saingy misy kosa ireo tsy hamerina izany raha tsy azon’izy ireo ny valin-kasasarany, raha ny nambaran’ireo mpiasa. Mi.Raz