Tetikasa « Vehivavy Mijoro »: Seha-pihariana karazany telo hahavelon-tena
2026-03-28 - 04:43
Nampahafantarin’ny Sipem banky, ny 26 marsa teo, ny tetikasa « Vehivavy mijoro », hanohanana ny vehivavy marefo. Tanjona ny hahafahan’izy ireo miarina amin’ ny fiainana sy hahaleo tena ara-pihariana. Miisa 15 ireo vehivavy nosafidina amin’ity andiany voalohany ity. Seha-pihariana telo nosafidiana hampiofanana azy ireo, ny zaitra (Eccova), ny taovolo (Ipac), ny nahandro sy fisakafoana (ISPMDF), mandritra ny 5 hatramin’ny 6 volana. Notsongaina avy amin’ny fikambanana miahy ny vehivavy marefo (Graine de Bitume, Assefama, ...) izy ireo. Nambaran’ny tale jeneraly lefitry ny Sipem banky, Randriatsimialona Lanja, fa fiofanana azo ampiharina haingana nefa mitondra vokatsoa ao anatin’ny fotoana fohy no tanjona. Ho vatsiana fitaovana sahaza sy ilaina izy ireo. Misy ny fiofanana amin’ny lafiny fitantanana, ny fikarohana tombom-barotra, ny fitantanana ny tahiry, sns. Hikarohana lalam-barotra ihany koa, ahafahana mivelona tsy misy ahiahy. Entanina sy ampianarana hiditra anaty fikambanana matihanina, hanamora sy hampitombo ny fifandraisana izy ireo. Hitarina any amin’ny faritra ny andiany manaraka. Natao tamin’io fotoana io koa ny fihaonan’ny Sipem banky amin’ireo mpanjifany, andiany faha-7. Nisy ny fijoroana vavolombelona amin’ny fahombiazana azo vokatry ny fiaraha-miasa amin’ity banky ity. Njaka A.