Toamasina II : Jiolahy efatra lavon’ ny balan’ny polisy
2026-01-27 - 05:22
Manao ranolava ny asan-jiolahy ao Toamasina. Jiolahy miisa efatra indray niara-maty, lavon’ny balan’ny polisy, tany an-toerana, omaly alina. Nitondra anarana “Bandes de 6” ireo olon-dratsy ireo. Nikasa hanafika mpandraharaha iray ao Antanandava Toamasina II, ny andian-dehilahy miisa enina, nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika, toy ny basy lava “fusil à pompe”. Nampandre ny polisim-pirenena momba ny tranga ny olon-tsotra. Tsy niandry ela fa tonga teny ifotony nanao ny paikady rehetra ireo mpitandro filaminana, taorian’izay. Nitifitra avy hatrany anefa ireo jiolahy rehefa nahatazana ny polisy. Voatery nitifitra, araka izany, ny polisy ka raikitra ny fifanjevoana. Vokany, lavon’ny balan’ny polisy ny efatra, raha tafatsoaka kosa ny roa hafa. Nitohy ny fikarohana ireo tafaporitsaka ka azo sambo-belona tany an-toerana ihany ny iray, tamin’ny 4 ora maraina tany ho any. Efa gadra lava ary vao avy namita ny saziny nandritra ny fito taona ity farany. Efa nivoaka ny fonja avokoa ireo namany enin-dahy hafa, raha ny fanazavana nataony tamin’ireo polisy. Mbola miriaria any izany, ny naman’izy ireo, iray ambiny. Sajo