Toamasina : Manampy hamerenana ny herinaratra ny Filatex Energy
2026-02-26 - 04:46
Laharam-pahamehana ny famerenana ny famatsiana herinaratra ao Toamasina. Antoky ny fampihodinana ny sosialim-bahoaka sy ny fiharian’ny mponina tsirairay izany. Avokavoky ny toekaren’i Madagasikara ny ao Toamasina. Manohy amin’ny fanarenana ny famatsiana herinaratra ao an-toerana ny orinasa Filatex Energy, taorian’ny fahasimban’ny toby famokarana mandeha amin’ny solika sy ny fikorontanan’ny tambajotra. Mitohy ihany koa ny ezaka hampihodinana ireo milina mpamokatra herinaratra ao amin’ny toby Enelec. Manatanteraka ny asany araka ny fahaiza-manao ara-teknika sy ny fitaovana mbola azo ampiasaina izy ireo, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani. Mandrindra sy miara-miasa akaiky amin’ireo mpiara-miombon’antoka any an-toerana ny Filatex Energy, hamerenana tsikelikely sy am-pilaminana ny famatsiana herinaratra ao an-tampon-tanànan’i Toamasina. Anisan’ny mamokatra herinaratra, mamatsy ny tanànan’i Toamasina ny orinasa Enelec, ao anatin’ny vondrona Filatex. Mampiasa ny toby mamokatra herinaratra azo avy amin’ny masoandro ihany koa izy ireo hanampiana ny milina mihodina amin’ny solika. Atao laharam-pahamehana ny fametrahana ny fahamarinan-toeran’ny tambajotra sy ny fitohizan’ny asa ho tombontsoan’ny mponina sy ireo sehatrasa ara-toekarena ao amin’ny faritra Atsinanana. Tena ilain’ny orinasa sy ny mponina Tanjona ny hiverenan’ny seha-pihariana tsy ankanavaka, ny orinasa isan-tsokajiny mba hihodinan’ny toekarena araka ny tokony ho izy. Satria, maro ny orinasa vaventy sy indostrialy any an-toerana. Eo koa ny seranan-tsambo lehibe indrindra eto Madagasikara, miantoka ny famatsiana manerana ny Nosy sy ny fanondranana entana any ivelany. Ary indrindra ny lafiny sosialy ho an’ny mponina mivelona amin’ny herinaratra. Njaka A.