Toamasina : Miverina tsikelikely ny herinaratra
2026-03-11 - 04:39
Mampahafantatra ny mpanjifa ny vondrona Filatex Energy fa efa miasa ny 30% ny famokarana herinaratra vokarin’ny Enelec Toamasina. Efa misy koa ny ampahany fampitana ny herin-jiro any amin’ny tambajotran’ny Jirama, ary mitohy tsikelikely izany. Mampiseho ny fandrosoan’ny asa ara-teknika, hiantohana ny famatsiana herinaratra any Toamasina, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani farany teo izany. Ataon’ny Enelec laharam-pahamehana ny famerenana ny famatsiana herinaratra ho an’ireo fotodrafitrasa stratejika, manan-danja, any Toamasina, toy ny Hopitalibe ao Analankininina sy ny hopitaly Manaram-penitra ao Morafeno. Manohy ny asany andro aman’alina ireo teknisianina satria maika ny hamerenana amin’ny laoniny ireo milina simba, ahafahana mamokatra araka ny tanjany tany am-boalohany. Tsy maintsy tanterahina ato anatin’ny fotoana fohy izany satria fototry ny famokarana ny herinaratra, entin’ny orinasa manohy ny fihariany. Manamafy ny finiavany miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny ny Filatex Energy hiantohana ny famatsiana angovo any amin’ny faritra Atsinanana. Njaka A.