Toe-piainan’ny ankohonana : Niofana tany Antsirabe ny mpanao gazety
2026-03-17 - 04:36
Niofana nandritra ny hateloana, niaraka amin’ny teknisianin’ny Ivontoerana nasionaly mikirakira ny antontanisa (Instat), tany Antsirabe, ny mpanao gazety miisa 24 avy amin’ny sehatra haino vaky jery ary ana habaka. Tanjona ny hahafantaran’izy ireo ny fizotry ny dinika momba ny toe-piainan’ny ankohonana (Mics 2024-2025 Madagasikara). Eo koa ny rafitra fiaraha-miasa sy ny fiantohana ny kalitao hampiharina amin’ny fanadihadiana. “Zava-dehibe ny fanofanana satria ny mpanao gazety no mpandray anjara fototra amin’ny fampitana vaovao amin’ny vahoaka ary manampy ireo mpanapa-kevitra handray fanapahan-kevitra mifototra amin’ny zava-misy eny ifotony”, hoy ny talen’ny Système d’information et de communication ao amin’ny Instat, Ramaroson Walderanne James Joycien. Aorian’ny fiofanana, tokony hahafehy ny fandikana ny hevitra tena izy miainga amin’ny fafana sy ny tondro fototra ireo mpanao gazety niofana. Afaka mampifandray koa ny vokatry ny Mics 2024 -2025 teto Madagasikara amin’ny laharam-pahamehana nasionaly sy ny fanatrarana ny Tanjon’ny fampandrosoana maharitra ODD. Hanampy ny mpanao gazety hamokatra vaovao itokiana mifanaraka amin’ny zava-misy sy handinika ny zon’ny ankizy miorina amin’ny antontanisa sy ny porofo ny fiofanana azo. Natolotra ny fiandohan’ny volana teo ny valin’ny dinika momba ny toe-piainan’ny ankohonana mahakasika ny zo sy ny filàna fototra ho an’ny ankizy sy ny vehivavy. Vonjy